Ela nitoratorahana ireto tovolahy roa mpanao fanafihana mitam-piadiana ireo tranoheva mpivarotra fahana sy mpanao “mobile money” ka voasambotra ihany.
Tsy nanam-po na inona na inona izy roa lahy. Efa nisy andro maromaro nanaovan’ny zandary fanarahan-dia azy noho ny fitarainana voarain’ny zandary amin’ireo fokontany fandalovan’izy roa lahy saika isan’andro. Nisy ny fisamborana azy ireo. Teo vao nivoaka ny nafenina rehetra. Anisan’ireo andian-jiolahy mpanao taingin-droa moto manao fanafihana ireo mpivarotra fahana finday sy mpanao ireo “mobile money” izy roa lahy. Zanaka mpitandro ny filaminana ny iray. Mbola tratra teny aminy ny fahana sy “carte Bip” avy nangalarina. Ilay moto fitondran’izy roa lahy koa dia fantatra tamin’ny taratasin’ilay moto fa avy nangalarina. Taorian’ny fahatrarana azy ireo vao nazava ny antony tsy nisamborana azy ireto na efa miandry azy aza ny andrimasom-pokonolona. Manam-baovao betsaka amin’ny fisafoana sy ny fanaraha-maso ny filaminam-bahoaka avy amin’ny rainy sy ny dadatoany iray mantsy izy. Anio no hiakatra fitsarana ny raharaha. Efa mandeha ny resaka fa efa misy manao fanelanelanana amin’ny maha zanaka mpitandro ny filaminana azy.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.