Fandriampahalemana

Fanafihana mitam-piadiana Teo am-pihanihina ilay villa no voatifitra ireo jiolahy


  • Alatsinainy 16 Mey 2022

Jiolahy telo no lavon'ny balan'ny polisy miasa ao amin'ny kaomisaria afovoany Atsimo Andrefana rehefa tratra ambodiomby nanao fanafihana mitam-piadiana.

Villa" lehibe iray tao Motombe Tanambao ny vao marainan'ny 15 mey lasa teo tokony ho tamin'ny 01 ora sy fahefany no notafihin’izy ireo. Tamin'ny fotoana nanaovana fisafoana ny Polisy no nisy nampandre fa misy olona maromaro mihanika sy mandroba "villa", toerana tsy lavitra niasan'izy ireo. Tsy niandry ela fa namonjy ilay toerana voalaza ny Polisy ka nandeha an-tongotra; ary nahatazana olona dimy teo am-pihanihana ilay trano voalaza. Vantany vao nahita ireo polisy ireo jiolahy dia nanohitra ka ny roa amin'ireo no nitifitra ny Polisy raha nanambana ny hitoraka tamin'ny antsy lehibe kosa ny iray mba hampitahotra azy ireo ka dia raikitra ny fifandonana teo amin'ny roa tonta. Poa-basy mifamaly no nanenika ny tananan'i Tanambao noho izany . Lavon'ny Polisy araka izany ny jiolahy telo raha tafatsoaka kosa ny roa hafa. Mitohy ny fanadihadiana ary mbola eo am-pikarohana ireo namany hafa ny polisy.
Pati
Legende : Ireto izy telolahy

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT