Fandriampahalemana

Fanafihana mitam-piadiana Jiolahy 3 no matin’ny polisy tany Bongolava


  • Zoma 12 Novambra 2021

Jiolahy miisa 3 no lavon’ny balan’ny polisy miasa ao amin’ny Fitaleavam-paritra Bongolava ny 16 oktobra teo sy ny 11 novambra 2021 lasa teo tany an-toerana noho ny resaka fanafihana mitam-piadiana.

 Raha tsiahivina dia ny 12 oktobra 2021 tokony ho tamin’ny 07 ora sy sasany ariva dia nisehoana fanafihana mitam-piadiana tao Beloha/Tsiribihana ka ny Polisy miasa any an-toerana no nandray antanana ny fanadihadiana. Taorian’ny fikarohana nataon’ny Polisy dia fantatra ireo nandray anjara tamin’izany ary fantatra ihany koa ny toerana fandalovan'ireo olon-dratsy any amin’ny faritra Bongolava iny. Ny 16 oktobra 2021 tokony ho tamin’ny 08 ora sy 45mn alina dia fantatry ny Polisy fa misy andian-jiolahy mivory ao amin’ny toerana iray andrefan’ny Tsenan’omby . Nidina teny ireo tompon'andraikitra ka vantany vao nahatsikaritra ny mpitandro ny filaminana ireo mpivory dia namaly ary nampiasa ny fitaovam-piadiany toy ny basy vita gasy . Lavo nandritra ny fifandonana ny 02 tamin’izy ireo izay nahitana basy vita gasy miisa 02 sy antsy be iray. Ny 07 novambra 2021indray dia fantatra fa tonga ao amin’ny faritra Tsiroanomandidy ireo naman'ireo jiolahy voatifitry ny Polisy ireo. Nanamafy ny fikarohana hatrany ny Polisy miasa any an-toerana. Natao ny fanarahan-dia ary voamarina fa ny 10 novambra 2021 dia nivory tao amin’ny trano iray ao amin’ny faritra Abbatoir izy ireo ary mipetraka sy mivezivezy eny amin’ny faritra Tsarahonenana .Ny 11 novambra 2021 maraina no nifanehatra tamin’ireo mpanao ratsy ny Polisy ary namaly tamin’ny tifitra avy hatrany ny iray tamin’izy ireo raha vao nahatsikaritra ny mpitandro ny filaminana. Lavo nandritra izany fifandonana izany ny mpanao ratsy iray 22 taona. Ity farany moa dia efa mpamerin-keloka amin’ny asa ratsy isan-karazany.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT