Fandriampahalemana

Fanafihana mitam-piadiana 8 maty voatifitra sy voatsatoka antsy


  • Talata 28 Aogositra 2018

Lehilahy roa mpiasan’ny orinasa fiambenana G4S no indray maty tetsy amin’ny La Gastronomie Pizza eny amin’ny By Pass omaly maraina tokony ho tamin’ny 2 ora vokatry ny fanafihan-jiolahy.

 


Notapahina ny tendany ho an’ny iray ary ny faharoa kosa dia notrobarana antsy teo amin’ny kibony. Misaron-tava ny sasany amin’ireo jiolahy ary mbola nentiny tany Andoharanofotsy ny iray tamin’ireo mpiambina hanoro ny tranon’ny mpitam-bola hanome ny « code » an’ny vata fametraham-bola. Nitsoaka izy ary teo no nokapaina antsy avy hatrany raha vao tratra. Ireo jiolahy ihany no niantso ny G4S omaly nampandre ny zava-nisy. Notsoahin’ireo mpanafika ny “DVR” mirakitra ny firaketan’ireo “camera des surveillances” hanasarotana ny fitadiavana azy ireo. Ahiana ho olona efa mpiasa sy nanana fifandraisana tamin’ny lasibatra no nahavanon-doza satria toa efa nahalala ny pitsopitsony maro. Mpivady vao erotrorerony manodidina ny 30 taona sy ny zanany vavikely tokony ho 5 taona ihany koa no hita faty tao an-tokantranon’izy ireo tao Mamoladahy Imerintsiatosika omaly vao maraina. Tsindron’antsy tamin’ny fomba feno habibiana no namonoana azy telo mianaka, hita faty niampatrampatra sy nihosin-dra teo am-pandriana. Tsy vitan’izay fa voalaza ho naolana koa ilay renim-pianakaviana. Ny zanany lahikely no avotra noho izy tsy tao an-tokantrano fa lasa nanao vakansy noho ny andro fialantsasatra, fa raha tsy izany dia mety nofofoin’ireo olon-dratsy niaraka tamin’izy telo mianaka ihany koa ny ainy. Bisikileta, vola izay mba nampirimina tao anaty vata, fahitalavitra ary solosaina no lasan’ireo olon-dratsy. Tsy nisy nahare ny zava-niseho ny rehetra, kanefa dia vavalalana ity toerana ity. Tsy mifanalavitra amin’ny tobin’ny zandary ihany koa satria sahabo ho 100m eo ny elanelana. Mety ho olona mifankafantatra amin’izy mivady no tompon’antoka ary matahotra ny hifoteran’ny rambony ka nofofoina hatramin’ny ainy. Olona 3 hafa ihany koa no hita faty tao Tanetilava, fokontany Ambohibeloma Kaominina Anjozorobe omaly. Tombanana ho vono olona koa izy ity satria nahitana diam-bala avokoa ny vatan'izy 3 lahy ireto ary tsy olona mipetraka teny amin'ny manodidina. Tsy milamina ny tany !

Toky R     

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT