Fandriampahalemana

Fanafihana mitam-basy Rangahy iray maty voatifitra, ramatoa vadiny tapa-tanana


  • Zoma 02 Jolay 2021

Tokantranon’olon-tsotra iray no notafihin’ny jiolahy mitam-piadiana mahery vaika tao Tanambazaha Ambanja, faritra DIANA ny faran’ny herinandro iny. Valo lahy nirongo basy sy zava-maranitra

 no voalaza nanao ny fanafihana. Nifitra avy hatrany ireo jiolahy nanerena ny tompontrano hanome vola tao amin’izy ireo. Maty tsy tra-drano tamin’izany ny raim-pianakaviana. Tsy nijanona teo fa mbola nofirain’ireo olon-dratsy tamin’ny zava-maranitra ihany koa ny tanan-dramatoa vadiny ka montsana mihitsy. Lasan’ireo jiolahy ny vola an-tapitrisany dia iny izy ireo ny lasa. Mandeha ny fikarohana ireo nahavanon-doza. Sesilany ny fanafihan-jiolahy ao Ambanja tato ho ato. Omaly hariva dia tokantranona mpitandro filaminana no notafihin’ny andian-jiolahy mitam-piadiana tao Begavo I. Tsy nisy aina nafoy fa lasan’ireo jiolahy ny entana sarobidy. Mandry andriran’antsy sy mihorohoro andro aman’alina ny mponina ka manao antso amin'ny fitondram-panjakana mba hanamafy ny fitandroana fahalemana ny tanàna. Mbola manaraka fitsaboana ilay ramatoa tapa-tanana.
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT