Mihamahazo vahana hatrany ny tsy fandriampahalemana eto an-drenivohitra sy ny manodidina.
Taorian’ilay tovolahikely iray mpivarotra gilasy maty notifirin’ny jiolahy teo amin’ny lohany iray volana latsaka izay teny Andraisoro dia tovovavy kely iray indray no naratra mafy vokatry ny fanafihan-jiolahy nitranga tao Ambatomaro Antsobolo afaka omaly alina tokony ho tamin’ny 07 ora. Folo lahy mirongo fiadiana izy ireo no indray nanao izao fanafihana izao izay marihina fa tsy nisy tratra na dia iray aza. Raha araka ny vaovao azo dia anisan’ny tranom-barotra mpambongady iray tena goavam-be eny Ambatomaro ity notafihin’izy ireo ity. Na izany aza tsy nahazo na inona na inona izy ireo. Ny tena nahavariana ny rehetra dia tsy natahotra ihany koa ireto jiolahy ireto satria tsy nisy nisaron-tava na dia iray aza.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.