Lehilahy miisa 03 no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny BC4 Anosy ny 13 jona lasa teo teny 67 ha sy Ambatobe noho ny resaka fanafihana mitam-piadiana.
Mahakasika indrindra ny tsy fandriampahalemana miseho eto an-drenivohitra sy ny manodidina toy ireny fanafihana cash point sy ny mpambongady ireny dia nanao hetsika manokana ny avy eo anivon’ny Polisim-pirenena. Vokatr’izany hetsika natao izany dia olona dimy no efa voasambotra noho resaka fanafihana cash point sy mpambongady. Ny roa tamin’ireo mpanao ratsy ireo dia voasambotra ny polisy miasa ao amin’ny BC ny 8 jona lasa teo teny amin’ny 67ha izay nahatrarana ny basy fampiasany mandritra ny fanafihana nataony. Efa natolotra ny Fampanoavana ary notanana am-ponja vonjimaika izy ireo. Taorian’ny fanadihadiana sy ny fikarohana nataon’ny polisy dia voasambotra ny 13 jona 2020 lasa teo ny namany telo hafa ; ny iray voasambotra teny 67ha ary ny roa kosa voasambotra teny Ambatobe. Nahatrarana antsy lava lela tao amin’izy ireo nandritra ny fisavana ny tranony. Mbola tratra tao aminy ihany koa ny moto fampiasany rehefa manatanteraka izany asa ratsy izany. Ireto voasambotra ireto dia isan’ireo tompon’antoka amin’ny fanafihana miseho eto an-drenivohitra , isan’izany ny fanafihana niseho teny Avaradoha. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.