Lavon' ny balan'ny Polisy tetsy Manjakaray ra "Dadafara" omaly maraina tokony ho tamin'ny 1ora sy 45 minitra. Raha tsiahivina kely dia kalaza lahy amin'ny fanafihana mitam-piadiana sy fakana an-keriny ity jiolahy iray tratra ity .
Efa nigadra tany Tsiafahy izy ary izao saika hamerina ny asa ratsiny izao indray saingy voatifitry ny Polisy , antony nitarika ny fahafatesany.Mbola hita teny aminy nandritra ny fifandonana ny basy sy bala nampiasainy . Mbola betsaka moa ireo jiolahy rain-dahiny mpanao fanafihana eto an-drenivohitra andrasan’ny polisy amin’izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ela ny ela fa maty radadafara!
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.