Fandriampahalemana

Fanafihana cash point teny Isotry 3 lahy voasambotry ny polisy


  • Alakamisy 05 Mey 2022

Lehilahy miisa 03 no voasambotry ny Polisy miasa eny amin'ny boriborintany fahafito ny marainan'ny Asabotsy 30 aprily teo tokony ho tamin'ny 06 ora maraina teny Isotry rehefa nanafika "Cash point".

Raha tsiahivina kely ny tantara dia nitrangana fanafihana «cash point» iray tetsy alohan'ny FOP 67 ha ny zoma hariva teo tokony ho tamin'ny 5 ora. Miisa 3 ireo jiolahy nanao izany fanafihana izany ary "fer rond" six no nampiasain'izy ireo nanatrobarany ilay mpitazona ilay « cash point » ka lasan'izy ireo tamin'izany ny lelavola mitentina 1.800.000ar ary vaky nandositra nihazo an'iny quartier Iveo iny izy ireo. Tsy lavitra teo anefa ny Polisy miasa ao amin'ny Boriborintany fahafito nanao ny asan'izy ireo dia ny fisafoana ny tanàna ary nisy nampandre momba ilay fanafihana «cash point» eo amin'ny FOP. Namonjy ny niharam-boina ny Polisy ary nanao ny farahan-dia ireto olon-dratsy. Maro no nahatazana ny fihetsik'izy ireo ka nahita ny akanjo sy kiraro nanaovany. Nitohy ny fikarohana nandritra ny alin'ny 29 Aprily ka voasambotra ny marainan'ny 30 aprily 2022 teny Isotry ireto nahavanon-doza ary mbola tsy niova ny akanjo nanaovan'izy ireo. Nandritra ny fisavana azy ireo dia mbola nahitana lelavola 360.000ar tany amin'izy ireo. Natolotra ny fampanoavana omaly ny raharaha ka naiditra am-ponja vonjimaika izy telolahy.
Pati Legende: Ireto izy telolahy !

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT