Taorian’ny fandrobana ireo toeram-pivarotam-panafody teto an-drenivohitra dia manomboka mahita faisana indray amin’izao ireo “cash point”
fakana vola amin’ny alalan’ny finday eto amintsika. Ivontoerana iray indray no lasibatra tetsy Ambodin’Isotry omaly maraina. Raha araka ny fanazavan’ireo nanatri-maso dia 5 lahy nitondra basy no tonga nanao ny fanafihana teny an-toerana. Lasany tamin’izany ny vola 4 tapitrisa ariary saingy tsy nisy kosa ny naratra. Na izany aza anefa, hoy hatrany ireo nanatri-maso dia saika hitifitra ilay olona niasa tao amin’ity “cash point” ity ihany ireo jiolahy saingy tsy nipoaka ny basy. Bala efatra no tratra niaraka tamin’izy ireo nandritra izay voalaza fa efa simba. Mbola nitohy hatramin’ny omaly folakandro fotoana nanoratanay moa ny fanenjehan’ny mpitandro ny filaminana ireto mpanao ratsy ireto.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.