Fandriampahalemana

Fanafihana “Cash Point” Jiolahy 3 maty nodarohan’ny fokonolona


  • Alakamisy 04 Aprily 2019

Omaly alarobia tokony ho tamin'ny 5ora tolakandro teo dia mpanao "cash point" na ireny mpandefa sy fakana vola amin'ny finday ireny iray ao Port-bergé raha iny hody avy nirava avy niasa no nandrasan'ny jiolahy tamin'ny basy sy antsy teo am-baravaran'ny tranony.

 

 

 

 

 Lasa tamin'izany ny kitapo misy vola sy fitaovana fampiasany. Naratra mafy ity farany ka tsy maintsy nalefa notsaboina any Antsohihy, raha ny fampitam-baovao. Rehefa nanara-dia ny fokonolona dia 4 hafa no voatifitry ny jiolahy ka naratra. 3 tamin'ireo jiolahy kosa no tratra raha nifanenjehana tany anaty ala ka niharan'ny fahatezeram-bahoaka. Nalefa nanoloana ny kaominina ny fatin'izy ireo 3 nodorana fa ny iray hafa namany kosa tafatsoaka. Efa azo ihany koa ny kitapo izay noheverin'izy ireo ho valin-kasasarany. Tsy nitsitsy ireo olona ka ny ain'ireo jiolahy no nanefa. Nihevitra ny harovan'ny fitaovam-piadiana kinanjo tratry ny be no ho vitsy.Miha mahazo vahana hatrany ny fitsaram-bahoaka.

Nangonin 'i Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT