Miala any ny fahasahiana fanafihana fiara tsy laitram-basy mpitatitra vola.
Toy izao tranga izao ihany no niantombohan’ny kidnapping fa nahazo vahana izany taty aoriana rehefa tsy nandray an-tanana matotra ny voakasika sy ny manampahefana ara-miaramila. Mitaky fahamalinana amin’ireo mpitondra vola, indrindra ny orinasa Brinks izany. Nahomby ny hakingan’ny zandary mpiana-draharaha nisoroka ny fandrobana ny volan’ny banky nentin’ny Brinks. Andian-jiolahy dimy mitam-piadiana no nanatona sy nanambana basy ary nibosesika saika hiditra tao anaty fiarabe mpitatitra vola, tamin’ny 1 ora sy fahefany, ny sabotsy teo. Teo am-pamatrarana vola avy ao amin’ny fitaovam-pitateran’ny «Brinks» haiditra tao amin’ny fandraisam-bolan’ny mpanjifan’ny BNI, na DAB teo amin’ny tobin-tsoliky ny Jovenna Amoronakona By Pass no nitranga ny sakoroka. Nifanjevo hiditra amboletra ireo malaso izay nosakanan’ny mpitondra ny fiara, nahatsikaritra izany ireo tao amin’ny tsena ka nampandre ny zandary teo amin’izy ireo. Nihetsika avy hatrany ireo mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny « EP3/FIGN », izay teny an-toerana namita iraka hiahy ny fandriampahalemana eny an-toerana sy hisoroka ny asa ratsy izay mety hitranga amin’iny faritra iny tahak’izao. Araka ny fampitam-baovaon’ny zandary, nitifitra avy hatrany ny mpitandro filaminana mba hiarovana io fiarabe io. Nanjavona kosa ireo telo lahy hafa raha voatifitra ny jiolahy roa maty tsy tra-drano moa. Tra-tehaka tamin’izany ny basy poleta iray sy bala maromaro, sarona ny môtô ary nogiazan’ny zandary avokoa. Vory vetivety teny an-toerana ny zandarin’ny borigady Ambohimangakely sy ny vondron-tobim-paritra Analamanga ka nipariaka nitady ilay fiara mpitondra vola voalaza fa lasan’ny jiolahy. Kinanjo afaka fotoana ela taty aoriana dia niantso ny tompon’ny orinasa Brinks fa efa tody soa tany amin’izy ireo ilay fiara izay nentin’ny mpamily azy ihany. Tsy nisy nipika kosa ny vola tao aminy.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.