Tsy nifandrenesana ny feom-basy teny Andraisoro ny takarivan’ny talata 25 jolay teo, tokony ho tamin’ny 6 ora hariva.
Jiolahy miisa 7 no nanafika toeram-pivarotana niisa 5 teny an-toerana, izay nasesiny niantomboka tamina fivarotana enta-madinika iray. Vola 650 000 ariary no lasa ary mbola noterena nanala ny firavaka teny aminy ireo lasibatra. Olona 2 no naratra. Sendra ireo jiolahy ny tovolahy iray mpivarotra lagilasy ka nanavotra ny ainy. Nahiahian’izy ireo hiantso polisy izy ka norarafany tamin’ny tifitra. Voa teo amin’ny lohany io tovolahy tokony ho 29 taona io ka maty tsy tra-drano. Nanao fitafian’ny olona avy any Atsimon’ny nosy ireo jiolahy, dia ireny kilaoty fohy ireny, raha ny fanamarihana. Raha ny fanazavan’ny mponina teny an-toerana dia tara ny fahatongavan’ny mpitandro ny filaminana ary maro no nimenomenona. Nilaza kosa anefa ireto farany fa tara ny fampandrenesana azy ireo. Ny ampitson’ity zava-doza teny Andraisoro ity no nanaovan’ny polisim-pirenena tatitra tamin’ny alalan’ny Kaomisera divizionera Herilala Rakotoarimanana fa trangana fanafihana 4 no voasoroka ary jiolahy 5 no maty tao anatin’ny roa volana, ka ny iray teny Manakambahiny ny 20 jona, iray teny Soanierana ny 30 jona ary ny 2 ambiny dia teny Ambohipo sy Andavamamba ny 15 jolay. Na misy aza ny vokatra tahaka izao dia tsikaritra fa tsy mahasahana ny fandriampahalemana ny mpitandro ny filaminana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.