Nitrangana fanafihan-jiolahy indray tao Mahafaly Vatofotsy ny alin’ny alarobia 9 janoary 2019 lasa teo. Olona mpianaka no naratra mafy sy manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitalin’Andranomadio vokatr’izany.
Mpiavotra ity voatafika ity ary jiolahy niisa 4 no nanao ny fanafihana, izay nitondra basy lava misy hazo ny vodiny (tsy fantatry ny olona ny anarany fa mety kalak angamba). Tao anatin’ny nahatapaka ny jiro tao Antsirabe manontolo ny fanafihana. Vao tafiditra ireo jiolahy dia ny vola avy hatrany no notadiaviny ary ilay zazalahy namoha ny trano no voadaroka vy tamin’ny lohany ka naharatrana niisa 3. Taorian’izay dia ilay renim-pianakaviana indray no nosamborin’izy ireo sy nodarohany ihany koa ary notereny hamoaka ny vola ka 3 hetsy mahery no lasan’ireo jiolahy. Voavelin’ny vy na famaky ihany koa moa ity renim-pianakaviana ity ary raha iny andeha hivoaka ny varavarany iny izy dia nofirain’ireo jiolahy ny tanany ka tapaka ny loharantsany an-kavanana. Tafavoaka ihany ary afaka niantso vonjy moa ireo olona ka dia tonga ny fokonolona ary nitsoaka ireo jiolahy. Ratra telo ihany koa no nahazo ilay renim-pianakaviana tao amin’ny lohany, ankoatra ny fahatapahan’ny rantsan-tanany. Novonjena haingana tany amin’ny hopitaly ireto olona voatafika sy naratra ireto.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.