Fandriampahalemana

Fanafihan-jiolahy Olona roa maty voatifitra, telo naratra


  • Talata 09 Jolay 2019

Nisehoana asan-jiolahy indray tao amin’ny distrikan’i Miandrivazo, ka nahafatesana sy nandratrana olona.

 

 

 

 Roa no maty voatifitra ary telo naratra mafy izay mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny tobim-pahasalamana ao Miandrivazo amin’izao. Omaly vao mangiran-dratsy no nisehoan’io fanafihana io, tao amin’ny fokontany Betanatanana, kaomina sy distrikan’i Miandrivazo, faritra Menabe. Andian-jiolahy tsy fantatra isa, nirongo basim-borona sy kalaky ary famaky no tonga nanafika ity tokatrano iray, izay misy fianakaviana dimy.

 Nitaky ny vola sy firavaka sarobidy ireo mpanafika. Tsy nahafa-po azy ireo ny zavatra azony, ka ombin-tsarety roa tao am-bala no nentin’izy ireo. Nidina tany an-toerana ny mpitandro ny filaminana ary nanokatra ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy. Andrasana ny mety ho tohin’ity raharaha ity.

 

Sitraka r. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT