Faritra maro eto Madagasikara no tena lasibatry ny asan-dahalo, indrindra any Atsimo. Nisy fanadihadiana sy fidinana ifotony natao tamina faritra telo nampanaovin’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana momba ny Mponina (FNUAP),
nampahafantarina teny Antaninarenina, ny alarobia 05 desambra lasa teo ka 75,8%-n`ny mponina any amin`ny kaominina Ivahona distrikan’i Betroka, Ranotsara Avaratra, distrikan’Iakora ary ny any Ankazoabo Atsimo no nilaza fa efa samy tratran`ny fanafihan-dahalo. Ny 44,8% amin’ireo olona nanontaniana dia nanambara fa niaina herisetra, nandritra ny fanafihana. Ny herisetra mifototra amin’ny miralenta (violence basée sur le genre) mitranga mandritra ny fanafihan-dahalo no nifotoran’ny fanadihadiana. Misy ny herisetra mihatra amin`ny vehivavy eo amin`ny fitrangana asan-dahalo ka adino ny fandraisana an-tanana an`ireo vehivavy na dia tsy voakasika mivantana fa kosa misy fiantraikany ara-psikolojika, hoy Andrianjanaka Njatoarisoa, kaomandy ambony eo anivon`ny zandarimariam-pirenena. Rehefa misy ny fanafihana dia ny lehilahy manao fanarahan-dian`ireo dahalo ka somary adino ny fandraisana an-tanana an`ireo traboina. Maro ny fanamarihana nataon`ny fanaovana tatitra ka nanamafy ny eo anivon`ny zandarimariam-pirenena fa hijery manokana ny tranga rehefa mitranga ny asan-dahalo. Io herisetra ara-tsaina sy ara-pihetseham-po io kosa no tena mahazo ny vehivavy iharan’ny fanafihan-dahalo. Miaina ireo herisetra ireo ihany koa ny lehilahy rehefa tratran’ny fanafihana, satria mety hahatsiaro tena ho ambany na ambanian’ny fiarahamonina izy ireo, rehefa very ireo omby, izay fananany. Tolo-kevitra nivoitra, taorian’ny fampahafantarana ny valin’ity fanadihadiana ity ny amin’ny tokony hanamafisana ny fandraisana an-tanana an’ireo olona iharan’ny herisetra mifototra amin’ny miralenta, ny ady amin’ny kolikoly mifandraika amin’ny fanafihan-dahalo, ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpitandro ny filaminana ary ny famerana ny fampiasana basy, eo amin’ny sivily.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.