Fandriampahalemana

Fanabeazana ho amin’ny fandriampahalemana Tontosa teny Andoharanofotsy ny « Peace camp »


  • Alatsinainy 26 Desambra 2022

Notontosaina teny amin’ny École le P’tit Pré Andoharanofotsy miaraka amin’ny mpianatra miisa 200 teo ny faran’ny herinandro iny ny “Peace Camp”

na lasin’ny fandriampahalemana ho famaranana ny taom-pianarana. Nampitaina tamin’ny endrika lalao sy hetsika fanabezana ny lesona miisa roambinifolon’ny “Education à la Paix” na fanabeazana ho amin’ny fandriampahalemana, hoy ny fampitam-baovaon’ny rafitra iraisampirenena misehatra amin’izay resaka fandriampahalemana izay na HWPL. Nozaraina ekipa miisa 12 izany ireo mpianatra ary nifampizara sy nandray lesona mahakasika izany. Ny tanjon’ity hetsika ity dia ny hahafahan’ireo mpianatra mandray ny kolontsainan’ny fandriampahalemana ho lova entina manavao sy manatsara ny tontolo misy azy ireo. Amin’ny alalan’ireo lohateny tahaka ny “Fo feno fankasitrahana”, “Fanajana ny zokiolona”, “Ny fanomezana hasina ny harem-pirenena sy ny vakoka ary ny mahaolona”, “Ny lanjan’ny fifandeferana” sy ny maro hafa no nanatanterahana izany, hoy hatrany ny fanazavana. Raha tena mandinika isika dia tsy tokony hisy akory ny ady na ny fifandrinana raha tena azontsika ny dikan’ny fandriampahalemana sy ny lanjany, hoy ny mpianatra iray avy amin’ny kilasy faharoa eo anivon’ity sekoly tsy miankina ity. Nisy ihany koa ny hetsika sosialy notontosain’ny Ecole le P’tit Pré izay fizarana ho an’izao akatoky ny fety izao ho an’ireo olona sahirana teo amin’ny fonkotany manodidina mba hampianarana ireo mpianatra ny fitiavana manome sy mitsinjo ny hafa izay anisan’ny soatoavina vohizina ao amin’ny lesona faha 5n’ny « Education à la Paix », hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT