Fandriampahalemana

Fampihorohoroana eny Andavamamba Tratra ihany i Zily ny farany


  • Alarobia 28 Oktobra 2020

Anisan’ireo jiolahy malaza ratsy sady atahoran’ny olona eny Andavamamba, lalana miditra mankany amin’ny sekoly ambony UPRIM i Zily. Sady mpanendaka mantsy izy no mpangalatra ary manao herisetra mihitsy mandritra izany ka efa nandrasan’ny mpitandro ny filaminana hatramin’ny ela.

 

 

 

 Ny 23 oktobra teo tokony ho tamin’ny 04 ora sy sasany dia nidina ifotony nisambotra azy ny Polisy avy ao amin’ny PPA1 Ampefiloha niarahana tamin’ny Polisy avy ao amin’ny UIR . Raha araka ny fantatra dia tonga hatrany Ambalavao, Ampefiloha, Manaritsoa ary Andavamamba ny lazan’ity olon-dratsy ity izay marihana fa efa mpamerin-keloka. Efa nahiditra amponja vonjimaika eny Antanimora ity farany ho famaizana azy.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT