Misy hatrany ireo ankizy tsy ampy taona voasaringotra amina raharaham-pitsarana eto amintsika. Tafiditra ao anatin’izany ireo nanao heloka tsotra izay nanaovana atrikasa manokana tetsy amin’ny le
Pavé Antaninarenina omaly notarihin’ny ministeran’ny fitsarana notronin’ny fiarahamonim-pirenena sy ny UNICEF. Anton’ ny fihaonana ny nitadiavana paikady hahafahana mampihena ny tahan’ny fandefasana ireo ankizy nanao heloka tsotra eny am-ponja, taorian’ny namoahana ilay lalàna vaovao mifandraika amin’izany tamin’ny taona 2016. Tsy voatery fanasaziana no hiandry ireny ankizy ireny fa azo atao koa ny manara-maso azy ety ivelany, amin’ny alalan’ny fandraisan’andraikitr’ireo éducateurs specialisés raha araka ny fanazavan’ireo mpizaika. Tsy mbola lany anefa io lalàna io, antony nanosika ireo mpiara-miombon’antoka rehetra hikaon-doha omaly ho fanajana sy fiarovana ny zon’ny ankizy. Nafana dia nafana tokoa ny fifanakalozan-kevitra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.