Fandriampahalemana

Fampandrian-tany tany Ambanja Polisy iray no namoy ny ainy


  • Alatsinainy 27 Aprily 2020

Polisy iray no namoy ny ainy tany Antsifatra Analabe, distrikan’Ambanja taorian’ny ratra mafy nahazo azy nandritra ny hetsika fampandrian-tany nataony.

 

Polisy ihany ihany koa no maratra mafy ankehitriny niaraka tamina olon-tsotra iray. Raha tsiahivina kely dia ny 25 aprily lasa teo izy ireo no namita iraka tany Antsifatra, nahitana polisy efa-dahy. Nisy resaka fanondranana an-tsokosoko cannabis mantsy tany amin’ny faritra iny, vaovao voarain’ny kaomisarian’ny polisy any Ambanja. Niaraka tamina mpitari-dalana mahay tsara iny faritra iny izy nandritra izany. Rehefa tonga tany an-toerana anefa izy ireo dia tsy nahatratra intsony ireo mpanao ratsy izay efa lasa nitsoaka niaraka tamin’ireo hazany. Na izany aza dia nihaona tamin’ny sefom-pokontany ao Antsifatra izy ireo niaraka tamin’ny olona manodidina ny 20 isa teo. Nandritra izany anefa no nisy ny mpamadika ka nahatafalatsaka ireo polisy roa tao anatin’ny fandrika izay niteraka fahafatesana ho an’ilay iray mihitsy. Efa mandeha moa ny fanadihadiana ifotony mikasika ity raharaha ity amin’izao fotoana izao. Ho an’ilay polisy namoy ny ainy kosa dia fantatra fa any Mandritsara no handevenana ny nofo mangatsiakany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT