Fandriampahalemana

Famotsorana an’i Haja kidnapping Taratry ny fanjakan-jiolahy eto ?


  • Alakamisy 28 Martsa 2019

Nomena fahafahana vonjimaika i Manantena Hajanirina Dina, izay voarohirohy tamina raharaha fakana an-keriny teratany karana in-droa nisesy.

 

Niteraka resabe iny raharaha iny, saingy tompon-teny farany ny fitsarana, ka aleo ny rehetra no hitsara. Misy ve ny fahaleovantenan’ny fitsarana eto amintsika ? Tena finiavana avy amin’izy ireo sa nisy baiko midina na kolikoly avo lenta tao ? “Hoentina aiza ity Firenena ity?”, hoy ny fanehoan-kevitra samihafa. Asa na mitovy hevitra avokoa ny mpitsara eo anatrehan’io raharaha io na ahoana. Ny mpanao politika nambara fa manangana fanjakana ao anaty fanjakana, izay tsy tanteraka na tsy nisy akory toa an-dry Pety Rakotoniaina sy Rainidiana Rajoharison gadraina any Antanimora am-bolana maro, ary mbola miandry didim-pitsarana. Ny mpianatr’i Vontovorona nitaky ny zony sy ny zavatra efa tokony hositrahany tsy mila fitakiana nosamborina sy notsaraina ary nohelohina tamin’ny alalan’ny sazy mihantona, fa ny olona voarohirohy amina fakana an-keriny izay sokajiana ho heloka bevava kosa navoaka hiriaria, hoy ny fanehoan-kevitra. Izao tokoa ve no fanjakana tan-dalàna sy miady amin’ny kolikoly ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT