Fandriampahalemana

Famonoana sy fanolanana zazavavy kely Lehilahy 3 no voasambotra tany Fenoarivo atsinanana


  • Alarobia 24 Febroary 2021

Lehilahy 3 no fantatra fa tompon’antoka tamin’ilay raharaha fakana an-keriny miampy

 

 fanolanana ary famonoana zazavavikely iray vao 14 taona monja tany amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana. Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny 05 febroary lasa teo no nisy an-keriny ity zazavavy kely ity. Efatra andro taorian’izay izany hoe : ny 9 febroary vao hita ilay tsy manan-tsiny izay efa tsy nisy fofon’aina intsony. Tao anatin’ny alan’ny fokontanin’Andreba, ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Ambodimanga no nahitana ny razana. Fantatra taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana moa fa naolana vao novonoina ity zazavavy kely ity. Tovolahy iray moa no nahiahian’ny fianakaviana ho nahavanon-doza ary niaiky ny heloka vitany avy hatrany. Nanoro ireo namany roa hafa izy nandritra izany izay fantatra fa mbola voafonja mivoaka manao asa ety ivelany ihany. Naverina any am-ponja avy hatrany moa izy ireo taorian’ny niakaran’ny raharaha teny anivon’ny fampanoavana tamin’ny 19 febroary lasa teo.


Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT