Nitombo roa indray ny jiolahy tsy afa-mamerina asa ratsy intsony raha telo hafa no azon’ny zandarimariam-pirenena sambo-belona.
Nandritra ny fanakanana ireo andian-jiolahy miisa 12 nirongo basy sy zava-maranitra saika hanafika mpanankarena iray monina any amin’ny toerana chute de la lilly Ampefy ny alin’ny 29 oktobra no nahatrarana azy dimy lahy ireto. Rehefa nozahana ireo roa lavon’ny bala ireo dia i Letsivery ny iray izay atidoha tamin’ny famonoana ny Ben’ny tanànan’Ampefy volana vitsisitsy lasa izay ary efa nokarohana fatratra. Ny iray tamin’ireo azo sambo-belona koa dia kartie mobila izay anisan’ny andrimasom-pokonolona ary nampiantrano ireo jiolahy ireo tao amin’ilay saha fanatanterahan’izy ireo fivoriana mialoha ny hanaovany ny asa ratsiny. Nankasitraka tanteraka izao asa vitan’ny zandarimariam-pirenena tany an-toerana izao ireo mponina any an-toerana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.