Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin'ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka dia tratra
omaly 7 janoary 2021 ny dahalo roa lahy antsoina hoe Bostin sy Toussin, tompon'antoka tamin'ny famonoana ny miaramila iray tao amin'ny holafy faha-510 ny 30 desambra lasa teo, hoy ny fampitam-baovaon’ny tafika Malagasy. Efa natolotra ny Zandary ao Belo/ Tsiribihina ireto dahalo ireto taorian'ny nahatrarana azy ireo. Azo antoka ny hanefan’izy ireo sazy henjana, fa ny Fitsarana no tompon’ny teny farany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.