Manana ny tsiambaratelon'ny famotorana ny mpitandro ny filaminana mikasika ilay fanafihana tao Mahitsy tamin'ny sabotsy heriny ka miandry isika. Hitory ny nahavanon-doza ny Fiangonana.
Aina mantsy no nafoy, hoy ny Arsevekan'Antananarivo, Monseinera Odon Marie Arsène Razanakolona, omaly alatsinainy 18 febroary nanoloana ny mpanao gazety, teo amin'ny foiben'ny Diosezy Andohalo. Ampirisihin'ny feon'ny fieritreretana ka tsy maintsy miteny amin'ny maha olom-pirenena ny tena, hoy hatrany izy. Amin'ny maha olombelona sy ny maha eo anivon'ny fiarahamonina, ny mpivavaka ao amin'ny Ecar dia hiditra amin'ny fitoriana, araka ny rariny sy ny hitsiny ary ny lalàna velona ny mpitondra fivavahana. Nandritra ny vavaka mialoha ny tafa ho an'ny mpilaza vaovao dia nanipika ny tenany fa tsy mamaly faty ny fivavahana Kristianina. Tsy ny hahafaty ny ratsy fanahy fa ny ibebahany no sitrapon'Andriamanitra. Nampatsahiviny ny famelomana lakolosin'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ny 13 mey teo momba ny tsy fandriampahalemana. Nanondro ireo mpitandro ny filaminana sasany izay miray tsikombakomba amin'ny jiolahy ka mivarotra na mampanofa fitaovam-piadiana amin’ny dahalo ireo raiamandrenim-piangonana ireo ka nanatsikafona fa ireo mpiaro ny vahoaka indray no mamono azy. Nohamafisin'ny Mopera misahana ny vaomieran'ny Fahamarinana sy fiadanana fa efa niantso ny mpitandro filaminana izay nisian'ny tranga tao Mahitsy izahay raha vao nitranga ny fanafihana fa ela vao tonga teo an-toerana ny zandary eo an-tanàna. Amin'ny toerana maro no toy izany fa tsy ny tao irery, hoy Mopera Andry, Aomonien'ny "Justice et paix". Nasian'ny Vikera Jeneraly tsindrim-peo fa "tsy marina ny filazana fa bala very no namparatra an'ny mopera fa nosakanana izy, notakiana vola, notifirina in-droa ary nitsahana, araka ny filazan'ny lasibatra hatrany, izay vao avy nanome Sakramentan'ny marary", hoy Mgr Ludovic Rabenatoandro. Marihina moa fa tamin'ny zoma teo no maty izy ary nalevina afak'omaly tolakandro. Tsy vitsy ireo mpitondra fivavahana lasibatra tato ho ato.
Nampiaka-peo ny mpitondra fiangonana katolika manoloana ny fanafihana mitam-piadiana ka ahafatesana olona tahaka ilay Mompera iray.
Haja Nirina
Efa betsaka ny maty fa tsy vao iny pretra iny irery noho ny tsy fandriampahalemana, hoy ireto lohandohan’ny mpisorona eo amin’ny Diosezin’Antananarivo ireto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.