Fandriampahalemana

Famoahana entana an-tsokosoko Lehilahy roa voasambotra teny Ambohimanarina


  • Alarobia 22 Aprily 2020

Voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP6 Ambohimanarina teny amin’ny amin’ny faritra misy ny art Malagasy rehefa avy namoaka sy nitatitra an-tsokosoko ny entan’ny mpampiasa azy teny Ambohibao ny talata 21 aprily teo ny lehilahy iray.

 

Tokony ho tamin’ny 07 ora maraina no nandalo teny amin’ny faritra misy ny art Malagasy ny lehilahy iray nitarika posy ary feno entana voarafitra. Rehefa nohadihadiana momba ireo entana ireo moa ity farany dia tsy nanan-kavaly ary niantso ny lehilahy 01 hafa nolazainy ho naniraka azy nitaona ireo entana ireo. Afaka fotoana fohy dia tonga teny an-toerana ny lehilahy iray, 27 taona, nilaza ho tompon’ny entana ary nitondra faitiora mahakasika ireo entana ireo. Rehefa nozahàna anefa ity faktiora ity dia hita fa sandoka ihany koa. Nogiazana avy hatrany ireo entana tratra ireo ary notànana avy hatrany koa ity lehilahy faha-02 ity ka nanaovana fanadihadiana. Niaiky moa ity farany tamin’ny fanadihadiana azy fa an’ny mpampiasa azy monina eny Ambohibao ireo entana ireo ary navoakany an-tsokosoko ny marainan’ny talata io. Niantso ilay vehivavy mpampiasa azy ihany koa izy ary nitantara ny zavatra nataony rehetra. Tonga nametraka fitoriana teo anivon’ny CSP6 Ambohimanarina ilay vehivavy mpampiasa azy manoloana izany zava-nitranga izany ary nolazainy fa mpiambina ny trano fitobian’entany eny Ambohibao ity nanao ny asa ratsy ity. Efa naverina tamin’ny tompony ireo entana nangalarina ireo ankehitriny, ary mbola mitohy ny fanadihadiana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT