Fandriampahalemana

Famakiana fiara sy vola sandoka Nampangain’ilay porte feuille-ny ilay mpangalatra


  • Alatsinainy 18 Jolay 2022

Lehilahy iray 33 taona no nosamborin’ny Polisy miasa eny Ambohimanarina ny herinandro lasa teo rehefa namaky fiara sy nitondra vola sandoka.

Fiara nipetraka tao amin’ny « parking » iray mifefy tamboho ana tokantrano iary teny amin’ny faritra iny no novakian’ity jiolahy ity tokony ho tamin’ny 02ora maraina ny andron’ny 09 jolay lasa teo. Ren’ny tompon’ny fiara anefa izany asa ratsiny izany ka nivoaka ity farany nijery ny zava-nisy. Vao nahita azy anefa ity olon-dratsy ity dia nandositra avy hatrany. Marihana fa tsy nahatondra na inona na inona izy tamin’izany. Nametraka fitoriana teny amin’ny Polisy miasa eny an-toerana ny tompon’ny fiara ny marainan’ny 09 jolay. Rehefa natao ny fanadihadiana dia nidina nijery ny fiara ny polisy ka nahita « portefeuille » tao anatin’ilay fiara izay nahitana karapanondron’ity olon-dratsy ity. Mbola nahitana vola sandoka mitontaly 220 000 ar ihany koa tao anatiny ka 20 000 ar miisa sivy sy 10 000 ar miisa efatra no fitambarany. Tamin’ny alalan’io karapanondro io no nahafahana nisambotra ity olon-dratsy ity ka voasambotra ny 13 jolay 2022 teo ity farany. Natolotra ny fampanoavana ny faran’ny herinandro teo ny anaolahy ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT