Fandriampahalemana

Famakiana boulangerie Lehilahy iray no tratra teny Itaosy


  • Sabotsy 02 Mey 2020

Lehilahy iray no voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin'ny CSP Itaosy ny alarobia 29 aprily teo teny amin'ny faritra Beravina Itaosy raha saika hamaky "Boulangerie" iray teny an-toerana.

 

 

 Tokony ho tamin'ny 01 ora maraina no naharay antso avy amin'ny tompon-trano ny polisy mikasika ny fisiana lehilahy mananika ny tambohon’izy ireo ary efa eo am-pamakiana ilay "Boulangerie" mihitsy. Manoloana izany dia tonga teny an-toerana faingana ny Polisy ka raha vao nahita ny mpitandro ny filaminana ity farany dia nirifatra nandositra nisaoty ilay tamboho . Voatery nanapoaka basy ny polisy tamin'ny fanenjehana azy. Tafatsaoka moa ity farany saingy nahita ra ny polisy nandritra izany fifanenjehana izany ary iny ra iny indray no narahina ka tra-tehaka tao an-tranony ilay lehilahy. Voaringotry ny vy tamin'izy nisaoty ilay tamboho moa ny sandrin’ity lehilahy ity ka izay no nahavoa azy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT