Nahazo fanairana avy amin'olona tsara sitra-po ny zandarimariam-pirenena tao amin’nyy Borigady Andohan'Ilakaka , mikasika ny fisiana zaza varira iray hita tany amin’ny 2 km Avaratra Ilakaka teo akaikin'ny fanaovana Korisa Moto .
Taorian'ny tatitra azo dia nanetsika ny zandary any an-toerana avy hatrany ny komandan’ny kaompania ao Ihosy ho fanafainganana ny fikarohana ny fadikan-dalana toy izao . Ny tranga toy izao rahateo dia tsy handeferan'ny Zandarimariam-pirenena araka ny toromarika nomen'ny lefitra voalohany eo anivon'ny fibaikoana ny zandarimariam-pirenena nandritra ny fandalovany tany amin’ny Distrikan’i Betroka . Fantatra nandritra izany fa avy ao Sakoamitata Kaominina ambanivohitra Andriadapy , distrika’i Betroka no fiavian’i Mbaheo ary vao 12 taona monja izy . Dahalo miisa no nambarany fa naka an-keriny azy, araka ny tatitry ny ministeran’ny fiarovam-pirenena. Hiroso aminy fanadihadiana lalina ny Zandarimaria eto Betroka sy ny avy ao Ihosy manoloana ity tranga fakana an-keriny ity , ary tsy hilefitra amin'ireo izaoy mety ho voasaringotra ao anatin'izao raharaha fakana an-keriny izao , hoy ny fanazavan’ireo mpitandro filaminana any an-toerana.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.