Nahitana tranga fakana an-keriny indray teto an-drenivohitra ny sabotsy folakandro teo tokony ho tamin’ny 1 ora sy folo antoandro. Ny tale jeneralin’ny toeram-pivarotam-panafody “Pharmacie Principale” eny Ivandry no lasibatra.
Teny Ivandry tao amin’ny trano fonenany no nitrangan’ity asa fakana an-keriny ity raha araka ny vaovao azo, mifanila amin’ny trano fonenan’ny masoivoho Frantsay. Efa eo am-panaovana fanadihadiana mikasika ny raharaha ireo mpitandro ny filaminana ankehitriny. Ho an’Analakely manokana omaly alahady dia feno mpitandro ny filaminana teny amin’ny manodidina ho fitandroana ny fandriampahalemana. Efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fampielezan-kevitra rahateo isika ankehitriny nefa betsaka ihany ireo tranga tsy ampoizina mbola miseho ka anisan’ireny ny fakana an-keriny. Tsy nahitana mangirana moa ity fakana an-keriny niseho teny Ivandry ity hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.