FAKANA AN-KERINY TAO MANDRITSARA

Avotra ilay tovovavy, jiolahy iray voatifitra


  • Alatsinainy 13 Mey 2024

Avotra soa amantsara ilay tovovavy nalaina an-keriny rehefa nidinan'ny Polisy miasa ao amin'ny CSP Mandritsara ifotony.

Nihafara tamin'ny fifandonana ity fanavotana ilay nalaina an-keriny ity ny alin'ny 10 Mey lasa teo noho ilay jiolahy nampiasa hery nanohitra ny Polisy. Ny harivan'ny zoma 10 Mey 2024 tokony ho tamin'ny 06 ora sy sasany raha tsiahivina no naharay antso ny Polisy miasa ao amin'ny Kaomisarian’i Mandritsara fa nalain'ny jiolahy an-keriny ny tovovavy iray 20 taona ary nentiny nogiazana tao Ambohimandroso Mandritsara. Tsy niandry ela anefa ny Polisy fa avy hatrany dia namonjy ilay toerana voatondro ka Polisy miisa 6 no nisahana ny famonjena ilay niharam-boina. Vantany vao hitan'ilay jiolahy ireto Polisy dia nivoaka izy ary nitondra sabatra lehibe iray. Nampitandremana ity farany mba hijanona sy hametraka ny fitaovam-piadiany kanefa dia nanohy ny lalany hatrany. Nanao tifi-danitra hampitahorana azy ny Polisy fa saika hikapa tamin'ny antsibe ny iray tamin'ireo Polisy izy ka tsy maintsy notifirina. Voa teo amin'ny kibony ilay Jiolahy ary naratra mafy. Avotra soa aman-tsara tao amin'ilay trano nanagiazana azy kosa ilay tovovavy araka izany. Ilay jiolahy kosa noentina teny amin'ny Hopitaly mba ho tsaboina. Fantatra fa tovolahy iray 30taona ity jiolahy nanao asa ratsy ity ary efa naverina tamin'ny Ray amandreniny kosa ilay tovovavy niharam-boina.
Pati
Legende : Nitolefika tahaka izao ilay jiolahy voatifitra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT