Olona miisa 14, ny roa atidoha mpaniraka no voasambotry ny Zandarimariam-pirenena ny 2 desambra 2017 tamin’ny 5 ora maraina tao Soarano sy Soatany, samy any amin’ny kaominin’ambanivohitr’i Malaimbady, ireo tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny tao Ampandrambe Ankilizato tamin’ny herinandro faran’ny volana novambra lasa teo.
Sarona tamin’izany koa ny basy miisa roa (FC cal 12 sy PA tefy gasy) sy mohara maromaro... Tsiahivina fa ny 20 novambra teo no naka an-keriny olona miisa 11 ireo jiolahy ireo, izay nisy zaza amam-behivavy ary nitaky ny hanomezana omby sy vola izy ireo ho takalon’ny famotsorana azy ireo. Nisy ny hetsika nataon’ny zandarin’Ankilizato ho fanavotana ireo olona ireo, nisy ny fifandonana ka dahalo miisa telo no lavo, ary Jama iray ihany koa. Nandositra ireo Jama maro niaraka tamin’ireo Zandary ireo rehefa nahita ny namany lavo. Tratran’ny be noho vitsy izy ireo ka zandary miisa roa, ny iray voatifitra teo amin’ny feny, voasambotr’ireo jiolahy ireo. Nandritra izany dia efa nisy ireo zandary izay efa nalefa nanampy isa ireo efa nialoha lalana saingy efa nisy ny fifampiraharahana teo amin’ireo jiolahy sy ny mponina izay notarihan’ny depiote an’i Mahabo ka votsotra tamin’ny 27 novambra ireo babo rehetra. Ny zandarimariam-pirenena rahateo moa tsy anisan’ny nanao fifampiraharahana ka nanohy hatrany ny fikarohana ireo jiolahy, izy ireo izay efa niampy isa tamin’ireo zandary avy amin’ny toby hafa (Morondava, Malaimbandy, Mahabo, Ankilizato, Ambatolahy, Toliara, ary FIGN). Natao ny savahao ny faritra rehetra re fa niafenan’ireo jiolahy tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny mponina. Nisy rahateo ny efa fahafantaran’ny olona ireo dahalo nanafika ka nosamborina vao maraina be tao amin’ireo tanàna voatanisa ireo izy 14 mirahalahy ireo. Mbola mitohy ny fikarohana ny naman’ireo jiolahy izay mbola misy am-polony no nandositra any anaty ala tsy sahy niatrika ny zandary.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.