Tratra ny jiolahy miisa 5 naka an-keriny zazalahy 12 taona tany Betela Morarano Kraoma, distrikan’Amparafaravola ny harivan'ny 16 jona 2019.
Ny 19 jona no navotsotr'izy ireo ilay zaza tao amin'ny toerana iray anelanelan'i Ambavasambo sy Anosivolakely distrikan’Anjozorobe rehefa nandoa vola 46 tapitrisa ariary ny fianakaviana ho takalon'ilay zazalahy. Rehefa nahazo tatitra mikasika izany ny Zandarimaria dia nandeha tsy nisy hatak'andro tany ny Sampana manokana misahana ny fandikan-dalàna sy heloka bevava avy aty Antananarivo niampy ny Zandary mpanao famotorana avy ao Ambatondrazaka hanao izay hihazàna ireo jiolahy. Jiolahy telo tamin'izany no voasambotra avy hatrany ka naiditra vonjimaika am-ponja rehefa natolotra ny fitsaràna. Rehefa nalalinin'ny Sampana mpanao famotorana avy ao amin’ny Zandarimaria Ambatondrazaka ny raharaha taty aoriana araka ny fifanakalozan'antso sy hafatra hita tao anaty finday nampiasain'ireo jiolahy, dia tratra tsirairay ihany koa ireo roa antsoina hoe Lemena sy Jaomainty naka an-keriny mivantana an'ilay zaza. Tratra tany amin'izy ireo ny karapanondrom-pirenena hosoka fampiasany nandritry ny fakàna an-keriny ka hatramin'ny nisamborana azy ireo, ny ambim-bola tsirairay azon'izy ireo tamin'ny takalon'aina, finday fampiasany, omby miaraka amin'ny bokin'omby hosoka novidiany tamin'ny vola takalon'aina, izay sarona tany Ranomafana RN2 novidiana tany Mahitsy, ary ny porofo maro… Marihina fa vao ny 25 jolay teo nisy tovovavikely nalaina an-keriny koa tao Ambodrirano Amparafaravola, ary voalaza fa nahazoan’ireo jiolahy vola hatrany amin’ny 20 tapitrisa ariary vao votsotra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.