Fandriampahalemana

Fakana an-keriny ireo teratany Frantsay Voaresaka manokana teny Mahazoarivo


  • Sabotsy 16 Jona 2018

Nitsidika tamim-pomba fifanajana ny praiminisitra Ntsay Christian, ny Ambasadaoro Frantsay miasa eto Madagasikara Véronique Vouland-Aneini,

nampita ny hafatra fiarahabana avy amin’ny praiminisitra Frantsay sy ny fikambanan’ireo teratany Frantsay eto Madagasikara. Niompana tamin’ny zava-bita hatrizay teo amin’ny fiaraha-miasan’ny firenena Frantsay sy ny firenena Malagasy, ny lahadinika ary notsipihina manokana ny olana mahakasika ny tsy fandriampahalemana izay miantraika mivantana amin’ireo teratany Frantsay. Nomarihina ihany koa fa nitombo ny isan’ny fakana an-keriny, toe-javatra mampiahiahy, ka nahatonga ny Ambasadaoro Frantsay nilaza, fa vonona hanatsara hatrany ny fiaraha-miasa hamehezana ny fandriampahalemana ny governemanta Frantsay. Nosoritan’ny praiminisitra Ntsay Christian, fa ny fihaonana toy izao no manaporofo ny fisokafan’i Madagasikara amin’ny firenena rehetra, fifandraisana izay miainga amin’ny diplaomasia hahakasika hatramin’ny sehatry ny fiainam-pirenena, ka ho an’ny firenentsika manokana dia ny fanomanana ny fifidianana, izay ifantohan’ny maro amin’izao fotoana izao no resaka. Antenaina ny fankatoavana ny voka-pifidianana, na eto an-toerana izany, na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, raha ny nambaran’ny praiminisitra.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT