Tany anaty alan’i Maridaza lalana RN2 no nanarian’ireo jiolahy ilay mpamily fiara “Renault kangoo” avy eo Anosizato izay noheverin’ireto olon-dratsy fa efa tsy misy aina intsony.
Mbola tadiavina hatramin’izao ilay fiara. “Araka ny feo re dia any Ambatolampy Antsirabe no milaza ho misy mahita ilay fiara
fitaoman’entana. Nisy nilaza fa niloko mena ilay fiara. Ka rehefa nalefan’ny mpitandro filaminana tamin’ny tambajotran-tserasera izany dia tsy izy akory”. Io no tenin’i Patrick, zanak’ilay mpamily
niharan’ny fakana an-keriny niaraka tamin’ny fiarakodiany raha nitafa tamin’ny mpanao gazetinay. Raha ny filazan’ny fianakavian’ny lasibatra hatrany, afak’omaly hariva no very ilay fiara “renault
kangoo”. Nifanaraka teo Ankadimbahoaka ny mpamily sy ireo roalahy fa misy entana taomina avy any Ambohimangakely. Vao vita ny adivarotra fanofana fiara dia roso ny dia. Nony tonga teny an-
toerana anefa lazain’ireo roalahy fa mihidy ilay trano fa mbola “mirevy” any Ambohimalaza ny mpitazona fanalahidy ka nifanaraka fa ampiana ny karama sy ny solika. Nony tonga tany
Ambohimalaza, izay ankodahoda, nijanona izy ireo, ary nambanan’ireo roalahy tamin’ny antsy ilayraim-pianakaviana, nafatony ny tanany aman-tongony sy ny vavany, sady nodarohany. Nizotra nitohy tamin’ny lalam-pirenena faharoa izy ireo fa ilay voadaroka tsy nahatsiaro tena ka efa noheverin’iretsy
tsy mataho-tody fa efa maty. Natsipin’ireo jiolahy tany anaty kirihitra ilay mpanamory ary lasan’ireo niaraka tamin’ny fiara ny taratasy sy ny findain’ity niharam-boina ary ny vola. Nony nahatsiaro tena
ilay mpamily dia namaha ireo fatorana. Namonjy ny lalana, teo vao fatany fa efa Maharidaza izy. Nanakana kamiô izy, io no nanavotra azy, nanome ny findainy hiantsoana ny fianakaviana. Mitaky
fahamalinana ny asa mandalo toerana mangingina toy izao, indrindra ho an’ireo mpitatitra.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.