Fandriampahalemana

Fakana an-keriny “Eny Fenoarivo sy Ivato no asitrika ireo takalon’aina”


  • Alarobia 20 Febroary 2019

“Eny Alakamisy Fenoarivo Atsimondrano sy manodidina an’Ivato, amin’ny toerana izay mangina no ametrahan’ireo mpanao kidnapping ny takalon’aina mandram-pahazoany ny vola. Efa azo sary aty aminay ireny trano ireny.”

 

 

 

 Izany no fanambaran’ny Kaomisera, Réné Rolland Andriatianiaina, CBC na Chef de Brigade Criminelle, nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety omaly atoandro teny Anosy. Vokatry ny fanadihadiana ireo tra-tehaky ny mpitandro filaminana tahaka ireo roalahy tany Manakara izay naseho ny mpilaza vaovao omaly. “Entanina hatrany ireo manana “villa” ka misy mpanofa tsy ela, nefa amin’ny hofany lafo, sady tsy mitondra fanaka na entana mba hampilaza ny mpitandro filaminana fa efa soritra mpanao ankeriny ireny mba isokafan’ny fanadihadiana”. Hoy hatrany ny Kaomisera, Réné Rolland Andriatianiaina ny. Tsy mipetra-potsiny ny mpitandro filaminana, noho ny fanomezam-baovaon’ny olompirenena sy ny fifehezana ny angom-baovao ataon’ny mpitandro filaminana no nahatratrarana ireo roalahy voalaza etsy ambony, vokatry ny fifanondroan’ireo namany 9 izay efa tratra tany aloha. Tsahivina moa fa voarohirohy tamin’ny fakana an-keriny ny tompon’ny Vista sy Makiplast tamin’ny taon-dasa ireo 11 efa azo ary mbola misy namany miriaria any. Amin’ny maha-tambazotra ny mpaka an-keriny, sarotra ny

fikarohana ka mitaky fandraisana anjaran’ ny olom-pirenena hatrany ny mpitandro filaminana. Misy amin’ireny olon-dratsy mantsy mpijery mialoha ny fomba hanatanterahana ny asa , ao koa ny mpanara-maso ny lalan’ilay halaina an-keriny, ny mpanatanteraka, ny

mpanome fitaovana, mpitady trano hofaina.

 

Haja Nirina

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT