Olana goavana sedraintsika eto Madagasikara ankehitriny ny resaka fakana an-keriny. Ankoatra ireo tera-tany vahiny dia mahita faisana ihany koa ny Malagasy, indrindra fa ireo mpanam-bola.
Efa manana orinasa afaka misehatra amin’izany isika eto Madagasikara, raha araka ny fanadihadiana natao tetsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina. Nosokafana tamim-pomba ofisialy ao an-toerana omaly mantsy ilay “Salon des produits et solutions de sécurité” andiany voalohany karakarain’ny Madajeune sy ny Id all com. Trano heva miisa 30 izay miandraikitra sy misahana ny fiarovana ny ain’olona sy ny fananany no indray mampiranty sy mampahafantatra ny asany ao anatin’izany miaraka amin’ireo paikady sy ny fitaovana ampiasainy. Anisan’ireny ny orinasa HAP sampan’ny Handerson Risk Limited eto amintsika izay misehatra rano fotsiny amin’ny fiarovana ireo toerana saro-pady toa an’Ambatovy. Afaka mirotsaka an-tsehatra amin’ny asa fiarovana ny ain’olona sy ny fananany ihany koa izy ireo izay samy hananany traikefa avokoa raha araka ny fanazavan-dRtoa Ilo Sandratr’Hasina. Anisan’ny mampiavaka azy ireo raha araka ny fanavazany ny fisian’ireo karazana paikady avo lenta sy maro samihafa hampiasainy amin’ny resaka fakana an-keriny izay nomarihin’ity tompon’andraikitra ity manokana fa miaraka amin’ny fanadihadiana …izay mijanona ho tsiambarantelon’ny roa tonta ihany. Mandritra roa andro moa no hahafahana mifanerasera amin’izy ireo etsy Mahamasina, hetsika izay tsy dia be mpiresaka loatra nefa tena mahaliana ny olona.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.