Fandriampahalemana

Fahavakisan’ny trano fiantohana MAMA Iray naiditra am-ponja, roa arahi-maso ara-pitsarana


  • Alakamisy 28 Jolay 2022

Lehilahy iray naiditra am-ponja vonjimaika,roa hafa arahi-maso ara-pitsarana. Io no vokatr’ilay fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana taorian’ilay raharaha vakitrano nitranga tany Miarinarivo

ny farany herinandro lasa teo. Raha tsiahivina kely ny tantara dia naharay fitarainana avy amin'ny kaompanian’ny fiantohana MAMA sy ny fitaleavam-paritry ny hetra Itasy ny teo anivon'ny CSP Miarinarivo ny sabotsy 23 jolay lasa teo fa nisy vaky trano izay nahaverezana moto sy vola mitentina 774 022 ar tao amin'ny biraon'ny trano fiantohana MAMA. Niampy solosaina roa very izany, tranga niseho tao amin'ny biraon'ny fitaleavam-paritry ny hetra Itasy. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireo tompon'andraikitra ka nanokatrana ny fanadihadiana. Vokany,hita ny moto niaraka tamin'ny tovolahy telo,ka natao famotorana avy hatrany ireto farany. Afak’omaly Talata 26 Jolay no natolotra ny fitsarana izy ireo ka naiditra am-ponja vonjimaika ny iray raha arahin'ny eo anivon'ny fitsarana maso akaiky ny roa ambiny.
Pati
Legende : Ireto izy telolahy sy ilay moto tratra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT