Fandriampahalemana

Fahasalamana, toakarena, sosialy Nanome tohana 20,8 tapitrisa dolara ny ONU


  • Alakamisy 30 Aprily 2020

Mampitombo hatrany ireo tohana sy ezaka hoenti-manampy an’i Madagasikara hiatrehana ny covid-19 ny Firenena Mikambana [ONU]. Nanolotra 20 858 952 dolara izy ireo ny talata 28 aprily teo.

 

 

 

Nambara fa miaraka amin’i Madagasikara hatrany ny ONU amin’ny fiatrehana ny hamehana tena ara-pahasalamana, toy ny fanamafisana ny fahaiza-manao mba handrindrana izany ho an’ny firenena sy ny faritra. Eo ihany koa ny famaliana ny filàna ara-tsosialy sy ara-toekarena mba hanampiana ireo mponina marefo, ireo mpiasa amin’ny sehatra tsy ara-dalàna izay tena mandalo fotoan-tsarotra noho ny fepetra mihatra ateraky ny hamehana ara-pahasalamana, fa eo ihany koa ny fanomanana sahady ny fiatrehana ny fiarenana taorian’ny krizy ara-pahasalamana eo amin’ny lafiny toekarena, asa, fahasalamana sy ny filaminana arak’asa, ny tan-tsoroka ilaina hanampiana ny sehatra tsy miankina, ny sosialy, ary tsy adino ny fanamafisana ny fitoniana sy fanajana ny zon’olombelona. Naneho ny mbola hisian’ny herijika vaovao amin’ny famatsiam-bola hanamafisana ny ady mifandraika amin’ny covid-19 ny Firenena Mikambana sy ny mpiara-miombon’antoka. Mifanaraka amin’ny drafi-panorenam-pirenena, drafitra momba ny hamehana sosialy, drafitra hoenti-manavotra ny sehatra tsy miankina, ary ny Politika ankapoben’ny fanjakana. Vonona hatrany hiara-dàlana amin’ny Governemanta amin’ny asa hoenti-manamafy ny fiaraha-miasa amin’ny fiatrehana ny valanaretina ny Firenena Mikambana, ary ny fiomanana ny aorian’ny Covid-19.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT