Omaly alahady 21 oktobra maraina no nahitana ny zanaky ny mpanakanto Mami Bastà nihantona tamin’ny hetra na fehikibo tao an-tokotaniny ihany tao Antsirabe.
Tovolahy vao 23 taona monja izy ary zanany faralahy. Raha ny fanazavana nomen’i Mami Bastà dia sady mianatra amina sekoly ambony iray ao Antsirabe izy no miasa. Raha ny trangan-javatra niseho ny sabotsy hariva dia tsy nisy nanam-po. Mbola niresaka tsara izy mianaka fa mahafinaritra azy, hono, ilay sady mianatra no miasa satria misy tetikasa hiarahan’ilay oniverisite sy ny orinasa iray ka sady mianatra no miasa ny mpianatra ka isan’ny tafiditra tao ity tovolahy ity. Tokony ho tamin'ny 11 ora alina, taorian'ny vavaka hariva fanaon'ny fianakaviana, dia samy namonjy ny efitranony ny rehetra. Ny marainan'ny alahady anefa, raha handeha hamonjy vavaka maraina ny reniny, no nahita azy io mihantona teo an-tokotany tamin’ny tambohon’ny tranon’izy ireo. Rehefa nojerena, mbola nisy aina ihany izy ary nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana, saingy tsy tana intsony ny ainy. Fehikibony ihany no nifatotra tamin’ny tendany, ary nisy toaka tamin’ny tavoahangy teo an-tongony teo. Nambaran’ny fianakaviana anefa fa tsy tia misotrosotro izy hatramin'izay ary halany aza io. Ny nahagaga ihany koa dia tsy avo loatra ilay tamboho nifatorany na namatorana azy, ary na ny tongony aza mitehina tsara tamin’ny tany. Sao dia efa novonoina tany ivelany izy no mody nentina sy nafatotra teo an-tokotaniny ? Na izy aza dia mbola akanjo fitondra matory no nanaovany, nahitana azy ary tsy nisy kapa teny amin'ny fa nisy nametraka lavitry ny toerana nahitana azy io kapany io. Namamafy ihany koa ny rainy fa izy no nanidy farany ny vavahady ary tena nihidy, saingy io maraina nisehoan'ny loza io, dia efa tsy teo intsony ny cadenas nanidy io vavahady io.
Caius R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.