Mandry tsy lavo loha ny mponina any Betroka ankehitriny, raha ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana Andrimaso, Ajad Ridji Razafindrazanaka, izay misehatra amin’ny fampanjakana ny fandriampahalemana any an-toerana.
Tsy voafehin’ny fitondram-panjakana ny mponina any ifotony ary na ireo tetikasa fampandrosoana, toy ny fanamboaran-dalana aza, dia voabahan’io tsy fandriampahalemana io. Ny sabotsy teo izao dia olona miisa 15 no nalain’ny dahalo an-keriny ary rehefa nifanenjehana moa dia votsotra ihany ny 10 saingy ny 5 kosa tsy azo raha tsy nandoavana onitra. Tao Ianabinda koa, vao haingana, nisy mpivady matin’ny tsy mataho-tody saingy tsy nisy tohiny ny raharaha, hoy hatrany izy. Zavatra tsy misy dikany ankehitriny dia lasa miitatra ao anaty fokontany 1 ka miteraka fifamonoana eo amin’ny samy mponina mihitsy. Tsy resaka fitsaram-bahoaka io fa tena mivadika biby ny vahoaka. Velon-taraina noho izany ity filoha ity ary miantso ny fandraisan’andraikitry ny mpitondra fanjakana satria na ny mpitandro ny filaminana aza miraviravy tanana, hoy izy. Ny mahagaga amin’ity raharaha ity moa dia anisan’ny faritra natao laharam-pahamehana nampidinana ireo tafika manokana hiadiana amin’ny dahalo na ny Usad iny faritr’i Betroka iny ny taona 2016.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.