Fandriampahalemana

Distrikan’i Betioky Atsimo Milamina noho ny fampiharana ny Dinabe


  • Alakamisy 16 Novambra 2017

Taorian’ny fankatoavan’ny fanjakana ny Dinabe sy nampiharana azy tany aminay dia efa milamina ny fandriampahalemana any amin’ny distrikan’i Betioky Atsimo, hoy ny depiote avy any an-toerana, Andriamoratia Ludovic Edmond.

 

 Efa miverina amin’ny laoniny ankehitriny ny filaminan-tsain’ny mponina fa tsy misy hatahorana intsony ny fandriampahaleman’ny tanàna amin’ny alina. Efa miverina tsikelikely indray araka ny fahefa-mividiny ny fiompiana omby any an-toerana ary mandroso tsara ny fambolena isan-tokony. Ankasitrahana tanteraka ny nametrahana vondron-tafika ho an’ny Faritra Atsimo ao Ihosy, hoy ny depiote Ludovic Edmond. Diso ny filazana fa manao propagandy mialoha ny fotoana ny filoham-pirenena raha miroso amin’ny  fanaovana asa sosialy fanaony. Olona mankahala sy manasoketa fahatany ny mitsikera an’izany, hoy izy.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT