Fandriampahalemana

Distrikan’Ambohimahasoa 8 taona ny zaza dia efa mamaky trano


  • Alakamisy 10 Septambra 2020

Tsenan’Asabotsy ny sabotsy teo no nahatrarana ramatoa nividy zavatra tamina vola sandoka 5000 ariary, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny CSP Ambohimahasoa.

 

 

 

Teo Asabotsy ihany koa no nahatrarana zaza aman’ankizy miala sakana 8 ka hatramin’ny 14 taona izay atidoha amina asa famakiana trano sy aro-paosy. 8 taona izany no manomboka mamaky trano ny zaza eny amin’ny distrikan’ Ambohimahasoa. Ankoatra izay moa dia nampita vaovao izy ireo fa tratra koa I Faradalo izay namono nahafaty ny mpiara-miasa na “assistant parlementaire” amin’ny depioten’ Ambohimahasoa. Toy izany koa ny dahalo 8 lahy nangalatra omby sy nitifitra variraraka tamin’ny basy marovava ka nahafaty mpianaka tao Amboditanana, kaominina ambanivohitr’ Ambohimanandroy, hoy hatrany ny fampitam-baovao.

Nangonin’i J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT