Fandriampahalemana

Distrikan’Ambohidratrimo Matory any an-tsena ny zaza amam-behivavy…


  • Talata 01 Febroary 2022

Mandry tsy lavo loha ireo mponina ao anatin’ny kaominina 6 amin’ny 24 isa mandrafitra ny distrikan’Ambohidratrimo. Raha araka ny tafa nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly mantsy dia efa matory any an-tsaha mihitsy ny

 zaza amam-behivavy amin’izao vokatry ny tsy fandriampahalemana. Efa amam-bolana maro no niainan’izy ireo izany raha araka ny fantatra vokatry ny asan-dahalo. Ho an’ny kaominina ambanivohitra Ambohimpihaonana ohatra dia omby miisa 14 no lasan’ny dahalo tamin’ny herinandro teo. Tokantrano iray no notafihin’izy ireo tamin’izany ka ny 5 tamin’ireo omby ireo monja no tafaverina amin’ny tompony. Manampy trotraka izany hoy ireo Ben’ny tanana ny haratsian-dalana ka tsy hahafahana mamoaka ny vokatra. Nanatanteraka fivoriana teny Ivato izy ireo omaly. Anton’ny fihaonana ny mba hahafahana mampita ny vaovao amin’ny fitondrana ka hitadiavana fanampiana toy ny fampitomboana isa ny mpitandro ny filaminana. Nohavaozina ihany koa ny birao mitantana ny fikambanana, natrehin’ny solombavambahoaka voafidy ao Ambohidratrimo.
Pati
(Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT