Fandriampahalemana

Depiote Jean Nicolas Randrianasolo “Misy dahalo aminay depiote ao”


  • Alarobia 05 Oktobra 2022

Hitory ny miaramila nahavanon-doza tamin’ny raharaha Bekily aho, hoy ny depiote voafidy tao amin’ny distrikan’i Betroka, Jean Nicolas Randrianasolo.

Hitory depiote koa, hoy izy, satria marina mihitsy izany ny filazan’ny olona fa misy dahalo aminay depiote ao. Ny depioten’i Bekily mihitsy izany no naniraka olona hanao dahalo. Tsy vao anio izy no nanao an’io fa efa hatramin’izy ben’ny tanana. Misy kopaka isasahany ao. Hampanaoviny kahie izany ilay olona. raha mahazo 30.000 Ariary isaky ny kilaon’ireo omby niisa 107 voalaza fotsiny ireo izy dia heritrereto nefa tsy izay fotsiny no azony tamin’io. Maninona no tsy najanonao tao amin’ny kaomininay tao fotsiny ilay izy fa tonga dia nalainao? Raha fintinina ny zava-nitranga dia anaty distrika feheziko ny kaominin’Ambatovary. Ny 9 septambra teo no napoakan’ireo tao amin’ilay fokontany antsoina hoe Mitsinjo ilay izy. Fianakaviana maromaro no ao. Lasa ny omby. Novonovonoin’ireo ilay vahoaka. Maty ny olona miisa 2. Tsy latsaky ny 10 ny isan’ny omby lasan’ireo any. Nalainy ny basy sy moara dia mody napetrany teo mba hiapangana fa dahalo ireo mponina novonoiny. Maninona no tsy tany amin’ilay toerana nakana an’ilay omby no novonoina ilay olona raha dahalo fa tsy nentina tany Bekily ? 107 no isan’ny omby tena nalain’ireo teo miaraka amina ondry miisa 210. Miisa 22 ireo miaramila nanao izany rehetra izany. Ny solombavambahoakan’i Bekily no ao ambadik’izany rehetra izany, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT