Fandriampahalemana

Daraina, Vohemar Nakorontan’ireo mpamaky fasana ny taolam-balon’ny maty


  • Zoma 12 Mey 2023

Tena mampihoron-koditra ny fihetsika hasehon’ireo mpamaky fasana any amin’ny distrikan’i Vohemar. Fasana tsy latsaky ny 4 omaly maraina no fantatra fa nisy namaky.

Navoakan’ireo mpanao ratsy teo ivelany avokoa ny taolam-bato rehetra no sady nosavasavainy tsy nananany hantra. Olona sendra nandalo no nahita ny lamba sy ny taolam-balo efa niparitaka ka nampiantso sy nampandre ireo tompom-pasana. Ny hany feo mandeha moa dia mety ho volamena na fananana hafa no nokarohin’ireo mpamaky fasana tao amin’ireo fasana ireo. Ankoatra ity distrika iray ity dia nisehoana vaky fasana ihany koa tany Moramanga Ambatolampy, Faritra Vakinankaratra. Fasana miisa no lasibatra tamin’izany ka taolam-balo tsy latsaky ny 21 isa no very. Efa misokatra moa ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana. Raha araka ny feo mandeha hatrany manoloana ny tranga tahaka itony moa dia hanafenan’ireo mpanao ratsy vovo-bolamena any anatin’ireny taolam-paty hangalariny ireny, antony mampirongatra izany fatratra eto amintsika.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo fasana vaky tany Vohemar sy Ambatolampy
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT