Niteraka resabe teny anivon’ny fiarahamonina nanomboka ny zoma lasa teo ilay feo niely fa hisy andian-dahalo marobe ho avy hanafika ny tanànan’Ambohimalaza, distrikan’Antananarivo Avaradrano.
Nikoropaka avokoa ny ankamaroan’ny fokonolona ka nisy tamin’ireo lehilahy tany an-toerana no efa namindra ny entany sy ny volany tany amin’ny havany ary nanatitra ireo vady aman-janany tany amin’ny biraon’ny kaominina natory ny zoma alina lasa teo. Rehefa nanontaniana ny mikasika ity tranga ity anefa Atoa Mbola, Ben’ny tanànan’ny kaominina Ambohimalaza dia nambarany fa mijanona ho tsaho fotsiny ihany izany fisiana dahalo ho avy hanafika ny tanànan’Ambohimalaza izany hatramin’ny fotoana nanoratanay. Nilaza ho tsy mbola nahita maso ilay trakta izay lazain’ireo mponina sasany any an-toerana fa efa miparitaka eny anivon’ny fokontany mantsy ny tenany sady tsy mbola nahatsapa zavatra hafahafa ihany koa. Efa mandray ny fepetra tandrify izany ny kaominina sy ny mpitandro ny filaminana any Ambohimalaza mba hahafahana miaro ny ain’ny vahoaka sy ny fananany. Nomarihiny fa ho an’ireo zaza amam-behivavy maniry ny hatory ao amin’ny biraon’ny kaominina mba hananan’izy ireo fitoniana sy filaminan-tsaina dia tsy misakana izany velively ny Ben’ny tanàna ary afaka mivezivezy any an-tokantranony izy ireo mandrapahita ny tena marina.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.