Efa nivoatra be ny kolontsaina sy ny asan-dahalo eto Madagasikara ankehitriny. Raha entina hangataham-bady sy fanehoana fa lehilahy mahavita azy tany am-piandohana no antony hangalarana omby 1 dia niitatra tsikelikely taty aoriana. Ny omby 1 lasa 10 avy eo 30 ary niitatra an-jatony maro mihitsy taty aoriana.
Ny Kilalaky, izay dihy 1 malaza ankehitriny ary fanaon’ny dahalo fahiny aza mbola mampahatsiahy fa kolontsaina hafa mihitsy no nofonosin’ny asan-dahalo fahagola fa tsy nampoizina hiitatra amina asa mamoafady toy ny amin’izao. Tsy mionona amin’izay halatra omby intsony ireo dahalo fa sady mamaky trano, manakan-dalana, manolana, maka izay azony alaina rehetra. Firifiry moa ireo mpanao politika sy mpitondra efa voatonontonona ho ambadikana asan-dahalo nanomboka ny taona 2000 no ho nankaty ? Ny fitaovana mahery vaika sy hiaka farany tra-tehaka miaraka amin’izay sendra voasambotry ny mpitandro ny filaminana eny amin’izy ireo rahateo dia efa midika fa misy dian-tanana olona ambony ity resaka dahalo ity ary mety nanakonana ary mbola hanakonana resaka politika avo lenta toy ny efa nahiana tamin’ny raharaha Remenabila tamin’ny taona 2016. Tsy ferana fa mety efa maro amin’ireo dahalo no manana antoka fa tafavoaka mora foana raha sanatria voasambotra. Raha ny savorovoro politika ankehitriny ateraky ny fiziriziriana isan-karazany toy ny fanorenana ifotony, fifidianana mampiady hevitra, tolona sendikaly izay toa miantso krizy vaovao tahaka izay nitranga tamin’ny taona 2009 indray dia mety hiantso dahalo vaovao ihany koa satria hitombo indray ireo tsy an’asa ary ho aiza moa izy ireny rehefa tapi-dalan-kaleha ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.