Fandriampahalemana

CHRISTINE RAZANAMAHASOA • Nisy niditra an-tsokosoko tao an-tranony • Very ny finday sy ny solosaina


  • Alatsinainy 22 Mey 2023

Nisy ny fampahafantarana nataon’ny eo anivon’ny seraseran’ny Filohan'ny Antenimierampirenena (PAN) Rtoa Razanamahasoa Christine fa nisy niditra an-tsokosoko tao amin'ny trano fonenany ny sabotsy alina faha 20 mey 2023.

Tetsy amin’ny tranony eny Andohan’I Mandroseza no voalaza fa nisian’io. Nambara fa very nandritra izany ny finday fampiasany izay marihana fa ahitana ny fifandraisany rehetra. Vary ihany koa ny solosaina na “ordinateur de bureau” izay “écran plat” miaraka amin'ny Unité Centrale, ary ny poketra miloko “marron” misy vola. Fantatr'ireo mpanao ratsy ny zavatra notadiaviny satria any anatin'ireo finday ireo avokoa ny mombamomba azy mivady manokana ary tsy nisy zavatra hafa very tao an-trano ankoatra ireo, hoy ny fanamarihana. Voalaza fa tsy nahitana fahasimbana ny fidirana rehetra tao an-trano. Melohina tanteraka ny fihetsika toy izao satria ahiana hisy hevi-dratsy ambadika kasaina atao, hoy hatrany ny voalaza tao anatin’ny fampahafantarana. Raha ny re anefa, dia nisy mpiambina soa aman-tsara ny trano, ary nisy olona tao, eny fa na io Filohana andrim-panjakana io aza voalaza fa tao. Somary mampametra-panontaniana ihany hoe: Lehibena andrim-panjakana Rtoa Christine Razanamahasoa, manana mpiaro,… ka nahoana no mitranga ny zavatra tahaka izao? Misy hidirany amin’ny politika ve? Raha tarafina amin’ireo zavatra nalaina, dia tombanana avy hatrany fa misy dosie na zavatra stratejika be karohina ao anatin’ny finday sy solosain’ity filohana andrim-panjakana ity, ka heverina ho tsy tongatonga ho azy izany ao anatin’izao toe-draharaha politika mafana sy ankatoky ny fifidianana izao? Tsy olona tsotra na jiolahy tsotra ihany koa no hahavita handeha hiditra antsokosoko hangalatra any anaty tranona Filohana andrim-panjakana fa ao raha, hoy ny fitenenana. Tombanana ho tsy asan-jiolahy na halatra tsotra noho izany io, fa tena politika avo lenta. Politisianina no maneho fa lasibatra eto, ka tombanana avy hatrany ho misy ambadika politika. Te haneho ve ny olon’ny fitondrana ankehitriny fa lasibatra noho ny lonilony politika? Sa ny ao anatiny no efa mifamely sy tsy mifampatoky ka mifampitsikilo? Sa efa karazana hafatra sy don-tandroka ara-politika avy aty ivelan’ny firondrana fa efa tsy maharo tena intsony ny mpitondra ka tokony hahay hipetraka sy hanaja tena amin’izay fa tsy hiziriziry sy hanao amboletra hampiasa hery hitazonana fahefana? Raha ny loharanom-baovao hafa mantsy, dia voalaza fa nisy niditra na nikasa hiditra ihany koa teny amin’ny fonenan’ny Rain’ny mpitondra ambony lehibe iray etsy Ikianja Ambohimangakely. Ankoatra ny serasera milaza fahaverezan-javatra tao amin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa moa dia namoaka serasera ihany koa ny Depioten’i Tsihombe Rtoa Masy Goulamaly fa very ny findainy sao sanatria misy mampiasa ireo kaontiny amin’ny tambajotran-tserasera. Nanambara izy fa efa mandeha ny fikarohana. Fifandrifian-javatra ve sa mety misy ifandraisany ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT