Fandriampahalemana

Brieville Maty notifirin'ny jiolahy izy mianaka


  • Alakamisy 16 Septambra 2021

Nirefodrefotra ny basy tao Brieville ny Alakamisy 09 Septambra lasa teo tokony tamin'ny 07 ora hariva. Andian-jiolahy voalaza fa mitam-piadiana no naka an-keriny Ramatoa mpivarotra PPN tao an-tanàna.

 Notifirin’ireo tsy mataho-tody teo amin'ny kibony ny zanany lahy nandritra izany ka nentina notsaboina tao amin'ny hopitaly tao Ambatondrazaka. Notifirin'izy ireo ihany koa ilay Ramatoa mpivarotra rehefa nifanenjehan'ny zandary ireo olon-dratsy ka namoy ny ainy avy hatrany. Tsy nijanona teo anefa ny raharaha. Omaly alarobia 15 septambra ihany koa mantsy no nodimandry ilay tovolahy sahabo ho 20 taona zanak’ilay Ramatoa noho ny ratra mafy nahazo azy. Ny rainy sy ny zandriny vavy kely sisa araka izany no hany sisa tavela ao anatin’ity ankohonana iray ity.

Nangonin’i Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fandriampahalemana

  • Halatra « taxi »
  • Zoma 19 Jona 2026

teny Vontovorona Olona miisa 3 no voasambotra

  • MAROANTSETRA
  • Alarobia 03 Jona 2026

Tratra ny mpamaky fasana roalahy

  • ENTANA HALATRA TANY TSIROANOMANDIDY
  • Alakamisy 11 Septambra 2025

Tratra tao amina sekoly iray tao Mahamasina

  • Mpangalatra finday amidy eny an-tsena
  • Zoma 28 Febroary 2025

Mampiasa tahon-kifafa petahana siligaoma

  • Fifampitifirana nahery vaika tao Toamasina
  • Alarobia 22 Janoary 2025

Jiolahy 4 maty, basy PA 2 azon’ny polisy

  • FAMONOANA LAHY ANTITRA TAO ANJEVA GARA
  • Zoma 25 Oktobra 2024

Ny sakaizany taloha sy ny mpiambina ny tananany no tompon’antoka

Hijery ny tohiny
FTT